Eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, noraisin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny fananganana Faritra vaovao any amin’ny tapany avaratry ny Faritanin’i Toamasina, izay antsoina hoe Faritra Ambatasoa. Mandrafitra izany Faritra vaovao izany ny distrikan’i Maroantsetra, ahitana kaominina 20 sy ny distrikan’i Mananara Avaratra, ahitana kaominina 16.
I Maroantsetra no voatendry ho renivohitry ny Faritra.
R. Nd.




