Natao, omaly, teny Alarobia ny famelabelarana ny valin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy.
Namelabelatra ny valin’ny fitsirihana nataony ny manampahaizana avy amin’ny Tim sy ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena “Hetsika fampiraisana kristiana ho an’ny firenena – HFKF”. Niatrika izany ny komity, ahitana ny solontenan’ny fiaraisamonim-pirenena sy ny mpanao politika, ny birao maharitry ny Ceni ary ny tonia mpanantanteraka. Miisa 10.678. 852 ireo olom-pirenena voarakitra ao amin’ny fitahirizana ny antontanisa eo anivon’ny Ceni hatramin’ny 5 jona teo. Miisa 57.012 ireo nahitana tsy fahatomombanana ka mbola hitondrana fanitsiana.
Etsy andaniny, miisa 29 144 ny anarana ahiana ho niverimberina. Mitovy ny laharan’ny karapanondro, anarana sy fanampiny, daty nahaterahana, ray sy reny. Mety ho vokatry ny fifindra-monina na antony hafa ka hitondrana fanamarihana sy fanitsiana.
Efa voarain’ny Ceni avokoa ny tolokevitra samihafa avy amin’ny mpitsirika ary misy ny efa notanterahina avy hatrany ny fanitsiana, indrindra ny momba ireo fomba fanamafisana ny fitahirizana ny antontanisa.
Hipetrahan’ny fifampitokisana
Ampahany ihany izao fitsirihana notontosaina izao fa mbola hanara-maso ny fanatanterahana ireo sosokevitra ireo ny mpitsirika. Nanambara ireo mpisehatra amin’ny fifidianana nanatrika ny famelabelarana fa nanala ny ahiahin’izy ireo ny valin’ny fitsirihana natao. “Natao izao mba hisian’ny fifampitokisana ka hananana lisitry ny mpifidy azo antoka hampisy fitonian-tsaina”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa hofaranana eny anivon’ny disitrika ny 10 jona, anio, ny lisitry ny mpifidy ary mbola haverina eny anivon’ny fokontany hanaovan’ny olom-pirenena fanamarihana sy fanamarinana izany. “Mbola manana 20 andro ny olom-pirenena tsy mbola tafiditra, hisoratana anarana, aorian’ny fampahafantarana izany lisitra izany eny anivon’ny fokontany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.
Synèse R.




