Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara.
Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny nanambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. Samy nanambara ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Rosia ny masoivohon’i Rosia, Andreev Andrey Vladimirovich, sy ny solontenan’ny fitondram-panjakana malagasy, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Fahatsiarovana ny datin’ ny 12 jona 1990, nanambarana ny fiandrianam-pirenen’i Rosia no nankalazaina, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia. Niray fo nankalaza izany tamin’ny masoivohon’i Rosia ny solontenan’ny fitondrana malagasy, nahitana an-dRazafimahefa Herimanana, filohan’ny Antenimierandoholona, sy ny Jly Rakotoarijaona Josoa, minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary Razafintsiandraofa Jean Brunelle, filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Nandritra ny kabary nataon’ny masoivohon’i Rosia no nanambarany fa manohana ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fitakiana ny Nosy manodidina ny Rosianina. Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fanohanan’ny Rosianina an’i Madagasikara amin’ny fananganana toekarena tsy miankindoha, ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, fanofanana manam-pahaizana ho an’ ny firenena sy fanolorana vatsim-pianarana ho an’ny zaza malagasy ary ny eo amin’ny lafiny fahasalamana.
Tetsy ankilan’izay kosa, nanambara ny Jly Rakotoarijaona Josoa, nandritra ny fandraisam-pitenenany, nisolo tena ny fitondram-panjakana malagasy fa tsy miandany amin’iza ny firenena malagasy ao anatin’ny ady atrehan’i Rosia amin’izao. Nanamafy kosa anefa izy fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy fifandraisana eo amin’ny firenena malagasy sy ny Rosianina.
Firenena anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao i Rosia. Na eo amin’ny jeografia, na eo amin’ny fiteny, indrindra ny eo amin’ny tafika.
Lin (Mpianatra asa)




