Nomen’ny Seces nasionaly hatramin’ny faran’ny jona ity, hamahana ny olan’ireo mpampianatra mpikaroka ny fitondram-panjakana. Takin’ izy ireo koa raha dila izany fe-potoana izany ny hanesorana tsy misy hatakandro ireo olona, vato misakana ho amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ambony. “Tsy maniry ny hikatsoan’ny fampianarana sady tsy te hanan-dratsy vokatry ny tsy fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra izahay koa tsy tompon’antoka amin’ny mety hiseho raha hataon’ny fanjakana tsinontsinona izao fitakiana izao”, hoy izy ireo, taorian’ny filankevi-pirenena, nataon’ny Seces, teto Antananarivo. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra fa mikatso tsikelikely ny fampianarana noho ny fampiatoan’ireo mpampianatra an-tselika ny fampianarana. Teo ny tsy nandoavan’ny fanjakana ny karamany efa-taona. 50% ihany kosa no mbola voarain’ny mpampianatra mpikaroka amin’ny ora fanampiny. Simba ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa ary zara raha amboarina, araka ny fanambarana.
Delestazy sy fanahiana ady an-trano…
Takin’izy ireo ny handoavana anatin’ny fotoana fohy ny karaman’ireo “Vacataires” ireo sy ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra ary ny tambin’ny fikarohana ho an’ireo efa nisotro ronono. “Manginy fotsiny ny fampijaliana ny mpianatra mandray vatsim-pianarana. Milahatra ora maro sy manapaka fianarana”, hoy ny Seces.
Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa anaty fahantrana lalina ny firenena. Very fanahy mbola velona ny vahoaka. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Politika ny lalana ary tsy voahaja ny demokrasia. Ny delestazy sy ny fanahiana ny ady an-trano. “Tsy mety mandray lesona amin’ny lasa ny mpitondra”, hoy ny Seces.
Tolo-kevitr’izy ireo ny fiovam-penitra lavitry ny fitsabahan’ny vahiny. Ny fampanjakana ny hasina sy ny soatoavintsika.
Araka izany, ho tonga hatraiza izao fitakian’ny Seces izao ?
Synèse R.




