Olan’ny fampianarana ambony sy ny politika : nomen’ny Seces hatramin’ny faran’ny jona ny fanjakana

Nomen’ny Seces nasionaly hatramin’ny faran’ny jona ity, hamahana ny olan’ireo mpampianatra mpikaroka ny fitondram-panjakana. Takin’ izy ireo koa raha dila izany fe-potoana izany ny hanesorana tsy misy hatakandro ireo olona, vato misakana ho amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ambony. “Tsy ma­niry ny hikatsoan’ny fampianarana sady tsy te hanan-dratsy vokatry ny tsy fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra izahay koa tsy tompon’antoka amin’ny mety hiseho raha hataon’ny fanjakana tsinontsinona izao fitakiana izao”, hoy izy ireo, taorian’ny filankevi-pirenena, na­taon’ny Seces, teto Antana­narivo. Nivoitra tamin’ny fe­hin-kevitra fa mikatso tsikelikely ny fampianarana noho ny fampiatoan’ireo mpampianatra an-tselika ny fampianarana. Teo ny tsy nandoavan’ny fanjakana ny karamany efa-taona. 50% ihany kosa no mbola voarain’ny mpampianatra mpikaroka amin’ny ora fanampiny. Simba ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa ary zara raha amboarina, araka ny fanambarana.
Delestazy sy fanahiana ady an-trano…
Takin’izy ireo ny handoavana anatin’ny fotoana fohy ny karaman’ireo “Vacatai­res” ireo sy ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra ary ny tambin’ny fikarohana ho an’ireo efa nisotro ronono. “Manginy fotsiny ny fampijaliana ny mpianatra mandray vatsim-pianarana. Mi­lahatra ora maro sy manapaka fianarana”, hoy ny Seces.
Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa anaty fahantrana lalina ny firenena. Very fanahy mbola velona ny va­hoaka. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Politi­ka ny lalana ary tsy voahaja ny demokrasia. Ny delestazy sy ny fanahiana ny ady an-trano. “Tsy mety mandray lesona amin’ny lasa ny mpitondra”, hoy ny Seces.
Tolo-kevitr’izy ireo ny fiovam-penitra lavitry ny fitsabahan’ny vahiny. Ny fampanjakana ny hasina sy ny soatoavintsika.
Araka izany, ho tonga ha­traiza izao fitakian’ny Seces izao ?

Synèse R.

Partager sur: