Azo atao, ankehitriny, ny mandefa vola mivantana avy any andafy mankaty Madagasikara. Ampiasaina ny « application Taptap Send” ka mirotsaka mivantana ao amin’ny kaonty MVola. Ahafahana mandefa vola avy any Eoropa, Canada, Emirats Arabo Mitambatra ary Etazonia mankany amin’ny firenena maro ny Taptap Send, anisan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola mendrika. Haingana, niomerika ary azo antoka, ka afaka misitraka izany ireo mpanjifan’ny MVola maherin’ny 10 tapitrisa. Ho afa-po ny fianakaviana malagasy na koa ny vahiny monina any amin’iretsy firenena voalaza etsy ambony, mandefa vola aty Madagasikara.
Maimaimpoana, tsy misy sarany ny fandefasana vola amin’ny Taptap Send. Hisy tombony (bonus) 15 euros ho azon’ny mpandefa vola ho an’ny fandefasana vola voalohany, mihoatra ny 10 euros, amin’izao iray volana nanokafana ny fiarahan’ny MVola sy ny Taptap Send izao, ampiasana ny « code promotionnel MVola ». Mivadika Ariary avy hatrany ny vola miditra ao anatin’ny kaonty MVola.
Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny MVola, Andrianalisoa Heritiana, fa natao izao mba hanakaikezan’ny Malagasy bebe kokoa amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ ny Taptap Send, mpiara-miombon’antoka sangany amin’ ny fandefasana vola avy any ivelany.
Njaka A.