Nahatratra 600 ireo mpilalao zandriny, hotilina amin’ny resaka baolina kitra eto amintsika manomboka anio. Vahiny mpitily matihanina roa no hanao ny adina ho azy ireo. Marihina fa mety hilalao any Frantsa, Canada, Etazonia, Alemaina ireo voatily.
H otanterahina ao amin’ ny kianja “synthetique” Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny zoma 23 jona, ny fitiliana ireo tanora mpilalao miisa 600 eto amintsika. Efa tonga eto an-toerana avokoa ireo mpitily roa, Wassim Gharmoul, avy amin’ny Groupe Sportif Obelisq sy i De Souza Hermann, avy ao amin’ny Topmatch International. Araka ny valandresaka nataon’izy ireo, omaly, teny Ambohijatovo, haka Malagasy mpilalao latsaky ny 21 taona, eto an-toerana, izy ireo. Raha ny fanazavana nataon’ny LNR Madagascar, izay mpikarakara ny hetsika dia nahitana solontena avy amin’ny faritra ny hetsika, anisan’izany i Boeny, Analanjorofo, Fianarantsoa.
Raha ny fanazavan’ireo vahiny, izay tanora mpilalao manana talenta no ilain’izy ireo. Nomarihin’izy ireo ihany fa ny mpilalao manana ny maha izy azy “personnalité” no ilaina ary indrindra ny fahaizan’izy ireo manaraka ny fitsipika omena eny ambony kianja.
Ankoatra izay, mety hisy lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ireo voatily amin’ny Barea U20, hanao ny “Jeux de la Francophonie” sy ny Cosafa U20, ny sabotsy ho avy izao, eny Mahamasina.
Tsara ny mampahafantatra fa misy valandresaka hataon’i Wassim Gharmoul, amin’ireo mpitantana klioba eto amintsika, ny sabotsy maraina, eny an-toerana. Hiresaka momba ny fomba famindrana ireo mpilalao any ivelany no tanjony amin’izany, ka manasa ireo klioba rehetra hanatrika io valandresaka io.
Tsiahivina fa tetikasa entina hampandrosoana ny baolina kitra eto amintsika izy ity. Marihina fa ireo mpilalao avy ao amin’ny ekipa “Orange Pro League” (OPL) no hanao andrana, anio manomboka amin’ny 9 ora maraina. Raha ny fanadihadiana natao, mety hisy fitiliana mpilalao ihany koa any amin’ny faritra, ny volana oktobra.
Fitia (Mpianatra asa)
Fandaharam-potoana amin’ny fitiliana
Toerana : Kianja «Synthetique» Mahamasina
Talata 20 /06/ 2023 : Hitily ireo mpilalao OPL
Alarobia 21/06/2023 : Hitily ireo mpilalao 18 taona
Alakamisy 22/06/2023 : Hitily ireo mpilalao 19 taona
Zoma 23/06/2023 : Hitily ireo mpilalao 20-21 taona
Sabotsy 24/06/2023 : Hanao “Conférence” momba ny famindrana mpilalao.