Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mbola baraingo ny tsipy kanetibe

Nambaran’Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny federation sport boule de Madagascar (FSBM), ny sabotsy lasa teo, teny Ivato, fa mbola baraingo ny ho fandraisana anjaran’ny tsipy kanetibe, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Araka ny taratasy nalefan’ny federasiona iraisam-pirenena man­tsy, notazonina ny sazy ho an’i Madagasikara. Ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ) anefa nametraka fa misy tsipy kanetibe amin’io fihaonan’ny firenenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina io. Na eo aza izany, efa misy fifampiresahana eo amin’ireo tomponanandraikitra isan-tokony.
Ankoatra izay, raha tsy mamotsotra io sazy io ny rafitra iraisam-pirenena, tsy afaka miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Bénin, ny volana septambra ho avy izao, i Madagasikara, ka voakasik’izany mivantana ny «sé­nior» lehilahy. Etsy ankilany, handeha ho any Bangkok Thaïlande, ny volana no­vambra, ny ekipa tompondaka eo amin’ny vehivavy sy ny «junior» hanao ny «Mon­dial», ho an’olon-telo miaraka ka hisolo tena an’i Ma­dagasikara amin’izany, ireo voalohany nandritra ny fifaninanam-pirenena, natao teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo.

Torcelin

Partager sur: