Nifarana ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny tokotanin’ ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny andiany faha-44 amin’ny “Rallye International de Madagascar” (RIM). Nandrombaka ny fandresena ny ekipazy TMF Rallye sy Asacm, nisy an’i Faniry sy i Mahenintsoa.
Izy mirahalahy, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16. 2 ora 27 mn 26, 2 s ny nahavitany ny hazakazaka. Mbola ekipazy TMF Rallye niaraka tamin’ny Tac’s ny faharoa, nahitana an’i Mika sy i Fabrice nijapy ny Peugeot 206. Tara 32, 68 s taorian-dry Faniry izy mirahalahy, izany hoe, 2 ora 27 mn 58, 9 s. Fahatelo, i Mathieu sy i A.T, mpanamorin’ny klioba Asacm, nitondra ny fiara Subaru. 2 ora 32 mn 48, 4 s ny fe-potoanan’izy mirahalahy. Raha ity vokatra ity, mbola hangotraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2023. Samy mbola manana herijika handrombaka izany avokoa mantsy ny rehetra.
Fiara 19 tamin’ireo 33 nandray ny fiaingana ny hany sisa tonga hatramin’ny farany, tamin’ity RIM ity.
Tompondaka