Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nisongadina ny ekipan’ny BIC izay nandrombaka ny tompondaka teo amin’ny «sénior» lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny lehilahy, i Bary sy i Jacquy ary i Faratina. Lasan’i Judicael sy i Miary Hasina ny teo amin’ny vehivavy.
Raha hiverenana ny fihaonana, adin’ny samy BIC avokoa ny famaranana ho an’ireo sokajy roa ireo. Lavon-dry Bary, tamin’ny isa 13 no ho 7 ny ekipan’Iarotiana sy i Hariliva ary i Jean Jacques. 13 no ho 9 kosa ny nandresen’i Judicael sy i Hasina an’i Odile sy i Voninirina. Nentin’i Vakinankaratra nody any aminy kosa ny amboara teo amin’ny “junior”, tamin’ny alalan’i Tafitasoa sy i Fanomezantsoa ary Andriatahina, mpilalaon’ ny C2BA. Resin-dry zalahy, tamin’ny isa tery 13 no ho 12 ny CBB Betafo, nahitana an’i Mickael sy i Ronaldinho ary i Dimbiniaina. Voalohany teo amin’ny “veterans” ny PCI nisy an’i Charles, i Emmanuel, i Herimanantsoa.
Nahatratra 207 ny isan’ ireo ekipa «senior» lehilahy raha 61 ny vehivavy. Nisy 55 ny “junior” ary 34 ny “veterans”. Ligim-paritra 10 no niatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity dia Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Menabe, Bongolava, Boeny, Ambositra, Atsimo Andrefana.
Tompondaka