Kenpo/MMA-Mada 2023 : mpikatroka 60 mahery handray anjara

Hotontosaina anio alarobia 21 jona sy rahampitso 22 jona, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kenpo/MMA (Martial Mixed Art). Ao amin’ny PK 00, Che­minots Antanimena no hanatanterahana izany. Mpikatroka 60 mianadahy eo no handray anjara, izay avy amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Anala­manga, Vakinankaratra ary Itasy. Araka ny fandaharam-potoana, fandanjana tsy ofisialy sy fitsirihana ara-pahasalamana no hatao anio. Hiditra avy hatrany amin’ny ady fifanintsanana kosa rahampitso maraina ary hotanterahina rahampitso hariva ny famaranana. Toy ny mahazatra isan-taona, hisy ny fifaninanana “Full Kenpo”, “kenpo kids”, MMA, “Striking MMA” ary ny “Fight Show”, ahitana ny “Self defense”, “Kenpo Form” ary ny “Kenpo Triathlon”. Tanjona ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny fifaninanana ary ny hahafahana mitily izay mpikatroka mendrika handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany Gamma.

Mi.Raz

Partager sur: