Nitohy nanomboka omaly 20 jona ny fampivondronana, ho an’ny taranja kick-boxing. Fanapahan-kevitra noraisina rehefa naverina ho anisan’ny taranja hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy indray ity taranja ity. Voakasik’izao fampivondronana izao ny sokajin-danja 48kg, 52kg, 56, 60, -65kg, eo amin’ny vehivavy.
Ny sokajy 51kg, 54kg, 57kg, 60kg, 63,5kg, 67kg, 71kg, 75kg, -81kg kosa ho an’ny lehilahy ary ny Seniors. Eny amin’ny RKC Ivandry aloha hatramin’izao no manatanteraka ny fanazaran-tena ireto mpikatroka ireto, araka ny fanazavana avy amin’ny ekipa teknika eo anivon’ny federasiona. Mbola hisy ny fitsapana sy fifaninanana hatrehan’ireto atleta ireto mialohan’ny hamoahana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ ny Nosy.
Mi.Raz