Taorian’ilay lalao nihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Black Stars Ghana, ny alahady lasa teo, tetsy Mahamasina, naneho ny heviny momba izany ireo vahiny mpitily roa. «Ady sahala ny voka-dalao teo amin’i Ghana sy i Madagasikara. Amiko manokana, tahaka ny mahita ny Samurai Bleu Japon ny mijery ny filalaon’ny Barea de Madagascar. Kely vatana saingy mahay izy ireo», hoy i Wassim Gharmoul. « Ny taona 2018 no nahalalako ny Barea, ary tsapako fa nivoatra tanteraka ny baolina kitra eto amin’ity Nosy ity », hoy i De Souza Hermann.
Araka ny fikarohana natao anefa, tsy mitovy ny dingana vitan’i Japana sy i Madagasikara. Raha ny filaharan’ny Fifa no jerena, eo amin’ny laharana faha-20 ny Samurai Bleu, raha toa ka any amin’ny faha-110 ny Barea. Tsara ny mampahafantatra fa impito nanao fiadiana ny tompondaka eran-tany, Mondial, i Japana (1998, 2002, 2006, 2010, 2014, 2018, 2022), raha toa ka tsy mbola nandray anjara tamin’izany i Madagasikara.
Ankoatra izay, misy mpilalao roa nanaitra ireo vahiny mpitily, saingy mbola tsy ao anatin’ny tetikasan’izy ireo ny haka azy. “Ilay mpilalao laharana faha-19, Tendry sy faha-21, Dorian no tena nanaitra anay. Somary kely vatana izy ireo, fa miezaka ny manome tosika amin’ny fanafihana foana”, hoy ihany izy mirahalahy.
Marihina fa hitily mpilalao zandriny U-21 eto amintsika ireo teratany vahiny ireo. Efa nanomboka omaly izany, ary tsy hifarana raha tsy ny zoma ho avy izao.
Fitia (Mpianatra asa)