Hampiantrano vahiny goavana ny rugby malagasy. Taorian’ny “Can” vehivavy, handray ny mpianatry ny oniversiten’i Bristol avy any Angletera. Hidona amin’ny Makis “senior” sy U20.
Tonga eto Madagasikara, omaly, ny ekipan’ny oniversiten’i Bristol, avy any Angletera. Tsy hitsangantsangana fa hanafika ny Makis de Madagascar. Hisy ny fihaonana eo amin’ny ekipa roa tonta, amin’ny alahady
25 jona ho avy izao. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao.
Matevina ny delegasiona anglisy. Misy ekipa roa ka ny “B” hifanandrina amin’ny Makis U20. Ny ekipa “A” hifampitana amin’ny Makis “senior”. Tafiditra ao anatin’ ny fanomanan-tenan’ny Makis ireo lalao roa ireo. Raha tsiahivina, ny U20 manomana ny lalao sakana hifanandrinana amin’i Senegal. Fihaonana hatao ny volana desambra ho avy izao. Hanana ny lanjany lehibe ny lalao. Raha resin-dry zareo Senegaley ny Makis zandriny, tsy tafiditra ao anatin’ny “Top 8” eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taona 2024.
Ny Makis zokiny indray hiverina hiady toerana ho an’ ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2027”.
Ankoatra ny rugby lalaovina olona 15, hisy ihany koa fifandonana eo amin’ny lalaovina olona 7, ny alakamisy 22 jona, eny amin’ny kianja Makis hatrany. Efa tafiditra rahateo ao anatin’ny fanazarantenan’ ny Makis, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara izany. Tafiditra amin’ny fanomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024), hotanterahina any Frantsa ihany koa.
Manana tombony goavana, araka izany, ny Makis de Madagascar, amin’ny fisian’ny lalao sedra sy fitsapana toy izao. Marihina fa fiaraha-miasan’ ny Malagasy Rugby sy ny oniversiten’ i Bristol ny nahazoana izao lalao roa lehibe izao.
Ankoatra izay, hifandona ny SCB Besarety sy ny FTM Manjakaray, sokajy vehivavy. Hisy koa ny lalao tsapa hifandonan’ny CEA Andranomanalina sy ny USA Ankadifotsy, lehilahy.
Tompondaka