Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Jackie, mpandraharaha ao Toamasina. Razana tsy nisy loha sy tongotra aman-tanana no hitan’ny fianakaviana.
Hita faty tanaty kirihitr’ala, akaiky fasana, ao amin’ny fokontany Ambalateza, kaominina Andodabe, Toamasina II, i Jackie, ny zoma heriny lasa teo. Ny havany sy ny mpiasany ihany no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. Novonoina tamin’ny fomba tena mahatsiravina ity mpandraharaha ity. Notapahina ny lohany sy ny tanany. Tsy hita kosa hatramin’ny omaly ny tongony havanana. Tongotra fasiany kiraro amin’ny maha olona manana fahasembana azy. Mpanangom-bokatra monina ao Foulpointe i Jackie. Manangona mivantana ny entana eny amin’ny tantsaha izy. Mividy akoho amam-borona ka mivarotra izany any Foulpointe. Manan-kilema ny tongony saingy tsy nataony sakana tamin’ny fitadiavam-bola izany. Niezaka ny nahaleo tena sy manao ity asa fivelomany ity izy.
Araka ny angom-baovao natao, nisy olona niantso izy, roa herinandro lasa izay. Nilaza izy ireo fa misy kisoa telo amidy ao Ambalateza, kaominina Andodabe Toamasina II, lalana mitsofoka avy eo Antaratasy-RN5. Namonjy ilay fotoana tao Ambalateza izy. Nitondra vola 1 200 000Ar, saika hividianana kisoa. Niantso azy ny fianakaviana ny sabotsy 3 jona 2023, tamin’izay no tratra antso farany izy. Tsy hita popoka taorian’izay.
Ny zoma 16 jona 2023 atoandro, hita faty tao anaty kirihitr’ala ao Ambalateza ny razana. Vatana efa simba tanteraka. Karan-doha niaraka tamin’ny vatana tapa-doha sy tongotra aman-tanana no novantanin’ny fianakaviany.
Olona iray voasambotra…
Ny andro nahitana ny razana, voasambotra ny tovolahy iray. Nanatitra an’i Jackie tamin’ny fotoana saika hividianana kisoa. Nifanome tanana tamin’ny fanadihadiana ny zandary ao Foulpointe sy ny zandary misahana ny heloka bevava ao Toamasina ary ny kaompania Toamasina. Nandritra ny fakana am-bavany azy, niaiky avy hatrany ilay voasambotra fa anisan’ny namono ny mpampiasa azy. Niaraka taminy kosa ny lehilahy iray hafa, havan’ilay mpandraharaha. Maty paika sy nomanina efa ela ny fomba nanatanterahan’izy ireo ny famonoana. Irakiraka mpijery entana hovidiana any ambanivohitra ity havana nivadi-pitokisana ity. Niantso ilay niharam-boina izy, nilaza fa nahita olona mivarotra kisoa ao Ambalateza. Nentim-pahatokisana i Jackie, tsy nisalasala niaraka tamin’ny vola 1 200 000Ar.
Nifampizaran’izy roa lahy ny vola…
Ao amin’ny ray aman-drenin’ilay mpiasa no mivantana i Jackie rehefa tonga ao Ambalateza. Nandritra izay, mody nentiny nijery ilay kisoa voalaza fa hamidy. Tetika efa voaomana anefa. Tsy nisy akory ireo kisoa. Ilay olona nitondrana azy rahateo, tsy nanana eritreritra hivarotra. Tafiditra tao anatin’ny tetika maizina nomanin’izy roa lahy mpamono olona fotsiny izany. Teny an-dalana hiverina any an-tanàna, nentin’ilay mpiasa tany amin’ny lalana hamonoana azy i Jackie. Efa niandry mialoha teo amin’ny lalana handalovana ilay namany, sady havan’ny maty. Novonoin’izy roa lahy tamin’ny fomba feno habibiana izy. Nifampizarana ny vola 1 200 000Ar. 700 000Ar ny an’ilay fianakavian’i Jackie, 500 000 Ar kosa ny an’ilay mpiasa.
Mbola namidin’izy ireo ny finday sy ny famantaranandro teny aminy.
Sajo/J.C