Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny sehatra tsy miankina. “Andry iray ho an’ny fanaingana ny toekarena izy ireo. Mitondra asa sy ny fanovana eo amin’ny firenena ary manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana momba ny rafitry ny vokatra sakafo”, hoy izy. Nanterin’ny filoha tamin’izany fa anisan’ny fanambin’ny fanjakana ny haha sompitra an’i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ahatongavana amin’izany ny fampitomboana ny velaran-tany fambolena hatrany amin’ny 100 000ha mba hampiakarana ny voka-bary hatrany amin’ny 500 000t na 13%.
Notsiahiviny anefa fa anisan’ny nandrava ny firenena ireo rivodoza efatra, raha ny taona 2022. Navesatra ny vokany, araka ny nambarany. Teo ny famoizana aina, ny traboina, ny fifindra-monina. Ny faharavan’ny fotodrafitrasa sy ny fahatapahan’ny lalana ary ny fitokana-monina. Maherin’ny 178 000ha ny velaran-tany dibo-drano… Manampy trotraka ny kere any Atsimo.
“Noraisina anefa ny fepetra ka nametrahana ny drafitra ho fanarenana sy ny hijerena ny any Atsimo…”, hoy ihany izy.
Fanofanana ny tanora sy ny vehivavy…
Anisan’ny vahaolana ny tetikasa “Fihariana” natao hanohanana ireo mpandraharaha ho an’ny fambolena. Nomena vola sy fitaovana. Eo koa ny fampiofanana ny tanora sy ny vehivavy ary ny fametrahana ny foibe fanofanana ho an’ny fambolena eny anivon’ny faritra. Nomena tany 1ha avy koa ireo tanora hisehatra eny ambanivohitra “Titre vert“. Nohamoraina ny fikarakarana ireo dingana samihafa eo amin’ny fandraharahana amin’ny alalan’ny “Digitalisation“… “Mitana anjara toerana lehibe ny sehatra tsy miankina ho fampiroboroboana ny eny ambanivohitra. Iadiana amin’ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny kere izany“, hoy izy. Natsidiky ny filoha fa manana velaran-tany 38 tapitrisa ha azo trandrahina isika ka niantsoany ireo mpampiasa vola izany.
Tsiahivina fa maherin’ny 50 ireo filoham-panjakana mandray anjara amin’izao fivoriana izao ary manana solontena any an-toerana ny firenena miisa 100. Miatrika izany koa ny avy amin’ny ONU sy ny Banky iraisam-pirenena, ny FMI ary ny avy amin’ny Vaomiera eoropeanina.
Synèse R.