Manoloana ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo dia mampahatsiahy ny CUA fa ny fiara rehetra mandalo eny amin’ny « visite de conformité » dia tsy maintsy efa nahavita ny fitsirihana teknika ara-dalàna. Misy toromarika amin’ny fanamboarana tokony hatao homena mandritra ny fitsirihana natao.
Nanomboka ny 2 jona lasa teo ny hetsika tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, «Sarobidy ny aiko», ho an’ny vahoaka anatin’ny distrika 119 manerana ny Nosy. 26 950 ireo olona nisitraka tolotra amin’ny fitsaboana nify sy ativava, fanaovana vaksiny, fandraisana an-tanana ireo vehivavy mitondra vohoka sy fitiliana isan-karazany.
Ny fandalovan’ny rindrin-drahona any atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny ankoatra ny omaly sy ny anio izay hanjakan’ny tsiokan’ny Alizay. Hisy fidinana ny maripana ambony manomboka anio ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Ho an’ny maripana ambany, 5 – 24°C raha 23 – 34°C ny maripana ambony manerana ny Nosy.
Miditra ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra. Mandritra ny roa volana anefa, tsy tokony
ho varimbariana fa manovo fahalalana hafa. Mianatra zavatra mahasoa sy mahafinaritra toy ny dihy, nahandro, zaitra… Tsy tokony ho very fotsiny ny fotoana fa handratoana fahaiza-manao hafa.