SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Fosa Junior sy ny As Fanalamanga no hanao ny lalao famaranana amin’ny “Playoff Orange Pro League 2023”. Lavon’ny AS Fanalamanga Toa­masina, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Cosfa Anala­manga, nandritra ny manasa-dalana. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By-pass, omaly. Ankoatra izay, hahe­motra amin’ny 9 jolay ny famaranana, noho ny fifaninanam-pirenena hafa izay hotontosaina etsy Maha­masina.

Hotanterahina, etsy amin’ny kianja Barea Maha­ma­sina ny sabotsy 1 sy ny alahady 2 jolay ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma. Ho an’ny sokajy rehetra. Hanana ny lanjany goavana ny fifaninanana satria hitiliana ireo manana ny fe-potoana tsara handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ho an’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Voalohany handray ny fia­diana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny atletisma ny kianja Barea

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fifaninanana “Body Perfect Grand Prix 2023”, nokarakarain’ ny Federation malagasy d’Halterophilie, de Muscultion et de Culturisme (FMHMC). Nahitana ny sokajy Classic Physique, Miss Bikini, Masters, Open Bodybuilding ary ny Men’s Physique ny hetsika. Nampiavaka ny fifaninanana ny nanomezana loka ny “meilleur posing” izay azon’i Narindra, ny “meilleur fair play”, norombahin’i Anthoni Alfred ary ny “meilleur public” azon-dRakotobe Elyse.

Hifindra lasy any Roumanie ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Hakim Abdallah, ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Ao amin’ny FC Dinamo de Bucarest izy no hilalao mandritra ny taom-pilalaovana telo. Tsiahivina fa tany Belgique, tao amin’ny Royal Excelsior Virtton, sokajy D2 izy teo aloha. Anisan’ireo nanatevina ny Barea de Madagascar tamin’ny lalao farany, nifanandrinana tamin’i Ghana izy.

Partager sur: