TARATRY NY KANTO

Nanie- Mandalo an-tanindrazana
Efa fotoana ela no tsy nahitana an’i Nanie nisehatra teto Madagasikara. Fantatra izao fa mandalo eto ity mpanakanto ity; Fantatra ihany koa fa misy seho maromaro handraisany anjara, ka ny akaiky indrindra amin’izany dia ny fiarahany an-tsehatra amin’i Mahery Majika ny zoma 30 jona izao, etsy amni’ny Piment Café Behoririka. Miandry ny voan-dalana sy ny tohin’ny fihaonana rahateo ny mpankafy azy.

Hiraitra – Le Colisée
Hampiaina indray ny mozika klasika ho an’ireo mpankafy izany ny Hiraitra. Hisy ny seho an-tsehatra hotontosain’izy ireo ny sabotsy tolakandro izao, etsy amin’ny Le Colisée Tsiadana. Ireo hira klasika vahiny malaza maromaro no alahatr’ireto mpanakanto ireto mandritra izany. Misy ny efa mahazatra ny mpankafy, misy ihany koa ireo tsy faheno firy. Hitarika ny Hiraitra mandritra ny seho i Dominique Rakotonirina.

Musée de la photo – Miantso ny mpianatra
Tafiditra ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny ankamaroan’ny mpianatra. Mba ho fotoana tsy fianarana hitera-bokatsoa, nanao antso ho azy ireo ny tomponandraikitry ny Musée de la photographie de Madagascar eny Anjohy, ho tonga hijery ireo saripika aranty eny an-toerana. An­koatra ny hatsaran’ny toerana eny amin’ny tanàna avon’ Imerina, fantatra fa anisan’ny hahalalana tantara maro ireny saripika ireny. Mba tsy ho diso na handiso tantara ny taranaka any aoriana fa hanana fototra tsara sy mafy !

Hotsiahivina i Sylvestre Randafison
Iray amin’ireo nanangana ny tarika Ny Antsaly niaraka tamin’ny rahalahiny Rémi Randafison sy i Bernard Raza­findrakoto i Sylvestre Randafison. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ity taona ity no hanatanterahana ny hetsika, ho faha­tsiarovana azy sy ny zavakanto vitany. Raha tsiahivina, sady mpitendry valiha izy no mpandihy, mpihira. Ankoatra ireo, izy no Malagasy nampianatra ny valiha tany Etazonia.

Partager sur: