Avotra soa aman-tsara ireo olona valo, hita tao anaty lakana maty, tao Ampolahambe, Masoala, omaly. Voarara tsy handriaka noho ny andro ratsy, niainga tao Maromandia-Ste Marie, izy ireo, ny 25 jona tolakandro. Vehivavy ny iray tamin’ireo valo ary nikasa hihazo an’Antsiraka Antanifotsy ity sambo ity. Maty anefa ny motera. Tavela teny afovoan-dranomasina ireo mpandeha. Nandefa angidimby nikarohana azy ireo ny tomponandraikitra ka izao hita izao.
Maty vokatry ny fanolanana ny zazavavy iray 12 taona, tao Ambalapaka, koaminina Beandrarezona, Disitrikan’i Bealanana, ny 26 jona teo. Nodarohana sady nanaovan’ny tsy mataho-tody herisetra ara-nofo ity zaza ity ny 16 jona lasa teo. Nitarika ny famoizan’ainy io fahavoazany io.
Trano lehibe iray kilan’ny afo tetsy Anjanahary IIA, omaly. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny afo saingy nirehatra avokoa ny tao ambony rihan’ilay trano. Niezaka namoaka ireo entana sasany ny fokonolona. Tonga namono ny afo ny mpamonjy voina ary tsy nisy aina nafoy.
Vehivavy iray tra-tehaka tao anaty tanàna an’ olon-tsotra tetsy Ambohimamory Itaosy, afakomaly sasak’alina. Nihaodihaody niaraka tamin’ny vatan-dehilahy dimy teo amin’ny manodidina izy. Niditra an-keriny tao anaty tamboho an’olo-tsotra teny an-toerana anefa izy ka sarona. Tsy hita popoka ireo lehilahy namany.