Tsy tanteraka hatramin’ny fotoana farany ny fanonganana ny ampahany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Nirava maina koa ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote, tokony ho natao omaly, tamin’ny 10 ora maraina. Nahemotra tamin’ ny 2 ora tolakandro izany ary nokasaina hatao maraina ny fanonganana. Tsy tanteraka avokoa izany na ilay fanonganana na ny fihaonana tamin’ny mpanatanteraka.
Nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ny delegasionina avy amin’ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Eoropeanina ary ny Vondrona Afrikanina, omaly. Dinika fanamafisana ny fandriampahalemana mikasika ny fifehezana ny fitaovam-piadina no anton’ny fitsidihina. Tanjona ankapobeny ny hametrahana paikady mazava iraisan’ny minisitera sy ny andrim-panjakana miandraikitra ny filaminana.
Mitaky olom-banona hiaro ny maha firenena malagasy azy i Madagasikara, araka ny fanambaran’ ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), tarihin-dRakoto Andrianirina Fetison. Be ny zavatra mampalahelo manozongozona ny maha firenena malagasy an’i Madagasikara. Manasa ny vahoaka malagasy ho tony izy. Mitaona ny Malagasy hahay hisafidy izay hitondra ny firenena ihany koa izy.
“Mahafeno fepetra ny distrikan’i Betroka, raha hatao faritra. Mankaleo anay ny miara-miasa amin’ny faritra Anosy any Taolanaro. Zavatra tokony ho azon’ny distrika, ohatra, tratra farany hatrany.”, hoy ny depiote voafidy tao Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas. Mangataka ny hananganana faritra iray miaraka amin’ny kaominina mifanila amin’ny distrika toa an’i Tsivory sy ny distrikan’i Bekily izy.