« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika 19 hifandimby eny an-tsehatra

Mifanaraka amin’ny lohateniny ! Sambany teo amin’ny tantaran’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hisy tarika sy mpanakanto mahatratra 19 be izao hifandimby eny an-tsehatra. «Fehezan-tseho hafa mihitsy», rindran-kira hotanterahina ny 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Ao ireo tarika sy mpanakanto andrarezin’ny kalon’ny fahiny : tarika Solika, Gasy Miangola, Ny Angolan’Imerina, Lizah Ra­seta, Salomon, Davida Ran­driantsiferana, J. Andriama­nantena, tarika Tsi-Ahy. Ny fiarahan’ny zoky sy ny zandry toa an-dry Kolibera sy ny Solofon’ny ela. Ireo miavaka noho ny fananany feo afaka mamelona tsara ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly : tahaka an-dry Gothlieb, Nini Andrianony, Faniry Raelison, Michel Andrianarisoa, Nicole Moreno, Odeamson, Ralanto, Haja sy Holy, Trio Done Andriambaliha.
Ankoatra ny fiakarana an-tsehatra tsirairay, manantena fiarahan’ireo mpanakanto ireo mihira ny mpitia kanto. Efa nisy amin’izy ireo rahateo ny nampiara-peo teny an-tsehatra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: