Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna

Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany.

9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra 2 401. Tao anatin’izay 9 andro izay, nisy ny fitarainana voarain’ny eo anivon’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara na ny Ormada, mikasika ireo milaza ho mpi­tari-dia nahazo fankatoavana manokana, ka vao eny An­dafiavaratra dia mitsena azy ireo.
“Voarainay eto anivon’ny minisitera ny fitarainan’ireo mpitsidika. Efa nandraisana fepetra ireo milaza fa mpitari-dia manana fahazoan-dalana ireo. Hatreto aloha, tsy misy fahazoan-dalana na hoe “agrément” nomen’ny Ormada izany. Ity rafitra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ity ihany no hany manana fahefana hanome izany. Efa hitantsika fa misy ny fiantsoana izay te ho mpitari-dia ara-dalàna ety, ka tokony mamaly izany izy ireo”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly, teny Anatirova.
Tsikaritra tokoa fa naneho ny tsy fahafaliany noho ny fepetra noraisina ireo mpitari-dia maromaro, mivondrona anatin’ny fikambanana Valamena. “Te hanao ny asanay hatramin’izay fotsiny izahay, fa tsy tokony hailika”, hoy ny filazan’ny solontenan’izy ireo.
“Noraisina ny fepetra satria manaratsy endrika ny ezaka hatao amin’izao fanokafana indray ny Rova izao izany. Vao eny Andafiavaratra dia efa tsenain’izy ireo ny mpitsidika. Hakany volabe mihoatra amin’ny tokony haloa, indrindra ireo vahiny. Raha milaza tsy mila mpitari-dia dia rahonany. Tsy mora ny manova, fa tsy hihemotra amin’ny fampanarahana ny fenitra ny minisitera. Mamaly ilay fiantsoana izy ireo raha te ho mpitari-dia ara-dalàna, raha mahafeno ny fepetra rehetra takina. Efa nametraka fitoriana an’ireo olona ireo ny minisitera, satria manakorontana ny mpitsidika izany. Efa misy ny hanaovana fanadihadiana amin’izao fotoana”, hoy hatrany ny minisitra, nanamafy.

Zo ny Aina

 

Partager sur: