Mpandeha efatra naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny RN34, teo Pomay, omaly maraina. Taksibrosy niainga tao Morondava nikasa hihazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Nentina notsaboina ao Malaimbandy avy hatrany ireo naratra. Matetika mampitaraina ny mpandeha ny tsy fanajana ny hafainganam-pandehan’ny taksibrosy sasany amin’izao fotoana.
Tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Atsimondrano teny Iavoloha, afakomaly, ny lehilahy iray nitondra zava-mahadomelina. Hita tao anaty taxi-be ireo rongony nentin’ity lehilahy ity. Nandritra ny sakana nataon’ny polisy eo Iavoloha no nahatrarana azy. Teo am-pisavana ny fiara, tsikaritra ho hafahafa fihetsika izy tao anaty fiara. Nosavaina ny entany ka fonosan-drongony marobe no hita tao anaty entany.
Saron’ny polisy ireo andian-jatovo nanakorontana sy nitora-bato nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo, tao Toamasina. Enin-dahy izy ireo no voasambotra noho ny fanakorontanana ireo mpijery lanonana. Natao teo amin’ny place Ritz ny fankalazana ny fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantena tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Naharay fitarainana ny polisy ka nanomboka teo ny fanaraha-maso ary izao niafara tamin’ny fisamborana izao. Ahitana mpiambina sivily amin’ireto tratra ireto.