Tsy mbola mivaha ny olan’ny fihetsikehan’ ny mponina manohitra ny orinasa QMM any Taolagnaro. Efa 4 andro izao ny hetsika, nanomboka ny 26 jona teo. Tsy afaka manatanteraka ny fampandehanana, indrindra ny fikojakojana ny fitaovana, ny QMM, noho ny sakan-dalana ataon’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsara ho fantatra anefa, fa anisan’ny manampy betsaka ny famatsiana herinaratra ny tanànan’i Taoganaro ny QMM.
Nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 375 ho an’ny kaominina Ambohibary, Andasibe, Morarano Gara, ny tetikasa Ambatovy. Tanjona ny hisian’ny mangarahara, ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Sady mba hisian’ny fitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola vahiny. Mahatratra 217 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola avy any amin’ny orinasa Ambatovy. Tokantrano marefo maherin’ny 500 no efa nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro any amin’ny kaominina Ampasimbe, Ranomafana Atsinanana, Tanambao, ny febroary 2023 teo.
Mampikaikaika ny besinimaro ny delestazy lavareny afitsoky ny orinasa Jirama. Tsy atoandro tsy alina, iharan’ny fahatapahan-jiro ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy latsaky ny indroa isan’andro ny fahatapahan-jiro.