Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja atletisma, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Tsy nisy ny zava-bita tsara montsana, tamin’ity. Na izany aza, betsaka ireo fe-potoana mahavelombolo.
Anisan’izany, ny zava-bitan’i Toky, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, teo amin’ny 100 m, lehilahy, vitany tao anatin’ny fe-potoana 10 s 5%. Teo koa ny 800 m, vehivavy, tontosan-dRalisinirina, 2 mn 17 s ary ny vikin-dava, vehivavy, vitan’i Florentine, atletan’i Matsiatra Ambony, niofana tany Chine. Nahavikina, 5, 85 m ny tovovavy.
Nahavita pao-droa, i Remando Patrice, avy amin’ny Cosfa Analamanga. 47 s 2 ny 400 m ary 1mn 54 s ny 800 m. Raha teo amin’ny filaharana, voalohany Analamanga nahazo volamena 9, narahin’i Diana sy i Vakinankaratra samy niambozona 3 avy.
Nahatratra 350 mianadahy ireo mpifaninana ka anisan’ny nifaninana ireo atleta niofana tany Chine. Nahatratra 14 ny ligim-paritra tamin’ity: Analamanga, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Itasy, Fitovinany, Ihorombe, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anosy, Bongolava. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona, fa mahabe fanantenana ny vokatra. Hivoaka, anio, ny anaran’ireo handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ary aorian’izay no hanomboka ny fampivondronana.
Tompondaka