Rugby – «XXL Top 20»: resin’Ankady tamin’ny moka fohy ny TFMA

Lavon’ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso), tamin’ny isa tery 17 no ho 16, ny TFMA An­kasina (Boaikely manohitra). Fihaonana, niadiana ny tapakila hiakarana eo amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 20”. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady. Niady ny fihaonana satria nitarika tamin’ny isa hatrany ny TFMA hatreo amin’ny minitra faha-73. Vao nanomboka 8 mn, nilalao 14 ry zalahy Ankasina, taorian’ny karatra mena azon’i Heri­niaina. Na izany aza, tsy nampihena ny herijikan-dry zalahy izany. Porofon’izany, nahafaty “hors jeu” iray i Dina, teo amin’ny minitra faha-15. Mbola niampy baolina nentin-tanana vitan’i Mamitiana izany ary voatsara ka lasa10 no ho 0 ny isa. Namaky atody kosa i Olivier, ho an’Ankady, tamin’ny alalan’ny “hors jeu”. Nifandimbiasana ny fanafihana avy eo. Mbola niampy indray io ka lasa 13 no ho 3 ny isa. Io isa io, nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanindry Ankady ka niakatra tsikelikely. Vetivety foana, lasa 13 no ho 9 ny isa. Taorian’io, nahatsara “hors jeu” indray i Dina ka 16 no ho 9 ny isa. Minitra faha-73, nahatonga baolina nentin-tanana indray Ankady saingy tsy voatsara ka 14 no ho 16 ny isa. Tsy nijanona teo fa mbola nahafaty “hors jeu” indray tany amin’ny minitra faha-79, nahatonga ny isa ho 17 no ho 16.

Tompondaka

Ireo voka-dalao hafa : 3 FB (38) – (15) SCB Besarety ; Uscar (41) – (23) US Ikopa ; FTM (64) – (3) XVFa

Partager sur: