« World Cup U19 »: Anisan’ny nofidina ho MVP i M’Madi

Malagasy mpilalao nanandratra avo an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny latsaky ny 19 taona, ny laharana faha-4 malagasy, i Mathias M’Madi. Afaka milahatra tsara amin’ireo kalaza eran-tany izy manomboka izao satria anisan’ny nofidina ho mpilalao mendrika indrindra, tamin’iny fifaninanana iny. Niaraka tamin-dry Reynan Santos (BRA), Akira Jacobs (JAP), Berke Buyuktuncel (TUR), Elijah Fisher (CAN), Ilija Milijasevic (SER), Lee Aaliya (ARG), Izan Almansa (ESP), Zacharie Perrin (FRA), Tre Johnson (USA), Mark Armstrong (USA). Raha ny valin’ny fifidianana natao tao amin’ny tambajotran-tserasera, nitàna ny laharana voalohany hatrany i M’Madi , izay efa nahatratra 91 000 no nifidy azy.
Nisongadina tanteraka ihany koa ity Malagasy mpilalao ity, teo amin’ny famonoam-baolina izay nampitolagaga ny manerana an’izao tontolo izao mihitsy ny fahaizany. Tao anatin’ny lalao 7 natao, “meilleur marqueur” hatrany i M’Madi, tamin’ny lalao 5 nataony. Nahazo isa 28 izy tamin’ny fihaonana tamin’ny USA, isa 34, fifanandrinana tamin’i Liban, isa 33 nanoloana an’i Frantsa, isa 24 nihaonana tamin’i Hongrie ary mbola nahazo 22 isa ihany koa, omaly, nanoloana an’i Egypte.
Manana ny ho aviny eo amin’ny sehatra matihanina i Mathias M’Madi. Nananany tanteraka ny toe-tsaina mitady fandresena sy manohitra na dia mafy aza ny mpifanandrina. Nahafahan’ny mpitily mpilalao nijery tsara ny fahaiza-manaony ity fiadiana ny amboara eran-tany, natao tany Debrecen Hongrie, ny 30 jona hatramin’ny 2 jolay, ity.

Mi.Raz

Partager sur: