Nahafantarana ny Vox Angeli Vivace ny namerenany ireo sanganasan’i Gilles Ramiarison. Hamoaka rakikira manokana hirakitra ireo ity vondrona tanora mpanakanto ity…
Nanomboka ny fankalazana ny faha-10 taona izy ireo, ny volana mey 2022. Hamarana izany kosa ny Vox Angeli Vivace, amin’ny alalana fampisehoana miavaka, hotontosaina ny sabotsy 15 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora sy 15 mn tolakandro, ao amin’ny Saint Michel Amparibe. “Smile” no lohatenin’ny fampisehoana, izay mahalaza zavatra maro. Tsy hiram-pivavahana ihany no hataon’ny Vox Angeli Vivace amin’io, fa mivelatra amin’ ny karazan-kira maro.
Efa tontosa, ary hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny rakikiran’ny Vox Angeli Vivace. Mirakitra ireo sanganasan’i Gilles Ramiarison, izay efa nahazoan’izy ireo alalana manokana ny mamerina azy. Hira 7 no novelomin’ny Vox Angeli Vivace anatin’ny rakikira, izay ahenoana ireo hira efa fantatry ny besinimaro. Efa nisy rahateo ny seho notontosain’izy ireo, tao amin’ ny CGM sy Ivokolo Analakely, tamin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-10 taona, nitondran’ny Vox Angeli Vivace an-tsehatra izany.
Marihina fa fikambanana tanora kristianina, izay samy milomano ao anatin’ny mozika ny Vox Angeli Vivace. Natsangan’Andriamamelasoa Fahombiazana ny taona 2012 ny tarika ary tsy miankina amina fiangonana. Mifototra amin’ny “lyrique”, saingy misokatra amin’ny karazan-kira maro kosa ny Vox Angeli Vivace. Mivelatra amin’ny fiaraha-miasa maro koa. Porofon’ izany ny nanasan’i Bodo azy ireo, nandritra ny seho fanokafana ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra, tao amin’ ny Ekar Antanimena. 20 Mahery eo ireo mpikambana tazana an-tsehatra. Maro amin’ireo mpihira no efa nanaraka fiofanana manokana amin’ny “chants lyriques”. Mpitendry efa matihanina ihany koa no mpanaraka ny Vox Angeli Vivace.
Zo ny Aina