Voatsikera hatrany ny Ceni… Na izany aza, ataony ny asany. “Aleo miala izahay Ceni rehefa tsy hahatanteraka fifidianana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Fanazavana…
“Rehefa hitanay hoe tsy tanteraka ny asa andrasana sy ampanaovina anay, na tsy mendrika ny fitokisan’ny olona izahay: mametra-pialana na miala no tsara indrindra. Fa tsy hoe mibodo toerana, rehefa hita fa tsy hamokatra ny tena”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatanterahana fifidianana.
Rafitra iray natao hitantana sy hanatanteraka ny fifidianana eto amin’ny firenena ny Ceni. Mba hahatanteraka soa aman-tsara an’izay andraikitra izay, tsy maintsy miezaka amin’ny fomba rehetra izy. Na amin’ny fitaovana izay na amin’ny vola, indrindra amin’ny olona. Atao amin’ny fomba rehetra izay hahatanteraka an’izay enti-manana sy enti-manao.
Misy hatrany ny tsikera
Misy hatrany ny fitsikerana ny Ceni. “Rehefa nanaiky handray andraikitra eto amin’ny Ceni hatrany am-piandohana ny tena, manaiky sy mahazaka tsikera”, hoy izy. Mamely avokoa izay te hamely rehetra. Tsy olana ho azy ny fitsikerana atao ho an’ny Ceni. Mifanohitra amin’izany aza: tena ilaina ny tsikera. Tsy lavina, misy ny tsikera be fahatany. Nefa misy koa ny tena mitombina. “Manitsy anay ireny”, hoy ihany izy. Rehefa mandeha ny tsikera ataon’ny olona, manitsy izay atao ny tena. Na amin’ny fomba fiasa io, na fomba fihetsika, na fomba fiteny…
Finiavana no antoky ny fifidianana
Tsy misy afa-tsy ny finiavana no antoka hahatomombana araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Eo amin’ny mpisehatra rehetra izany: ny Ceni sy ny rantsamangaikany, ny mpanao politika, ny firaisamonina sivily, ny olompirenena… Mitandrina ny tsirairay amin’izany. Raha tsy izany, miditra ao anatina olana na mamboly olana.
Mba hananan’ny olona fitokisana ny Ceni no nahatonga anay misokatra amin’ny fanaovana fitsirihana. Angamba, hatramin’ny nisian’ny Ceni, tsy mbola nisy fitsirihana nisokatra be toy ny amin’ ity. Nidiran’ny mpanao fitsirihana avokoa izay tiany hidirana. Ny rafitra iray manontolo izany, fa tsy nisy ankinafinafina. Mahazo tsy matoky hatrany ny olona. Na izany aza, mampiseho finiavana hisokatra izahay. Dia misokatra amin’ny fanaovana ny asa…
R. Nd.