Amin’ny ankapobeny, nilamina ny roa andro niandohan’ny fanadinam-panjakana BEPC tao anatin’ny faritra Atsinanana na teo aza ny toetry ny andro mamirifiry arahina orana, nandritra ny roa andro. Ny andro voalohany, teo anatrehan’ny solontenam-panjakana no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fonosana misy ny laza adina, natao tetsy amin’ny kolejy tsy miankina Thomas Bevan Tanambao V. Nambaran’ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena faritra Atsinanana, Ravolafeno Sylvie, fa 18 217 ny mpianatra nisoratra anarana anivon’ny faritra izay mitsinjara amin’ny efitrano fanadinana 606 anatin’ny ivontoeram-panadinana 57.
Aorian’ny fahavitan’ny fanadinana, anio, miisa 8 ny ivontoerana hanaovana ny fitsarana ny taratasim-panadinana, raha ny nambarany hatrany. Tao anatin’ny roa andro voalohany, nahatratra 773 ny mpiadina tsy tonga niatrika fanadinana ankoatra ilay tovolahikely nisy namono tao an-tokantranon-dray aman-dreniny, tao Mangarano, ny sabotsy tolakandro lasa teo. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, miisa 287 ireo tsy nanatrika fanadinana raha 154 kosa ny an’i Toamasina II.
Sajo