Hanetriketrika ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FJKM, hotanterahina any Ambanja, ny 18 aogositra izao, mandritra ny fihaonamben’ny diakona sy ny loholona. Efa samy manomana ny isam-pitandremana rehetra amin’ny fanamarihana izany.
Tsangambato lehibe no haorina dia ny fananganana ny fahitalavitra Fahazavana sy ny fanavaozana ny radio Fahazavana. Ny ezaka rehetra vita mandritra ny fanamarihana ny faha-55 taona ataon’ny isam-pitandremana manerana ny synodam-paritany dia hoentina hanatanterahana ny tsangambato velona.
Entina hampiroboroboana ny fitoriana ny Filazantsara ny radio Fahazavana. Hatsaraina avokoa na ny fitaovana na ny kalitaon’ny fandrenesan’ny kristianina azy any an-tokantrano, indrindra ny fotodrafitrasa. Toraka izany ny fahitalavitra izay vao hatsangana dia entina hanapritahana hatrany ny Filazantsara torian’ny FJKM. Ireo koa no hisahana ny fizaram-baovao tsara ho fantatra rehetra momba ny asa rehetra amin’ireo fiangonana sy manerana ny sahan’ny FJKM.
Araka ny tatitra nataon’ny vaomieran’ny serasera sy ny fampitam-baovao, Randriamanantena Solo, samy hanao ny ezaka avokoa ny isaky ny synodam-paritany ka aterina any amin’ny birao foibe ahafahana manatratra ny tanjona iombonana.
Tatiana A