Fehin-kevitry ny vovonana PNDE: homena fahefana sy fizakan-tena ary vola ny eny ifotony

Nifarana omaly, teny Ivato ny Vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Hohafainganina ny fampiharana izany hampandrosoana ny eny ifotony.

Nankatoavin’ireo mpizaika niatrika ny vovonam-pirenena ho an’ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana, miabo (PNDE) ny fehin-kevitra ho fampandrosoana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nambaran’ny minisitry ny Ati­tany, i Tokely Justin, tamin’izany fa tsy handeha ny asa eny anivon’ny kaominina raha iandrasana ny fanjakana foibe hatrany. “Antony nanaovana ny PNDE izany ka tanjona ny hanomezana fahefana sy fizakan-tena eo amin’ny vola ny eny ifotony. Anisan’izany koa ny lafiny fitantanana”, hoy izy. Nanteriny fa tsy atao sarintsariny ity drafitra ity. Hotantetra­hina araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manana adidy amin’izany ny fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra.

Tsy tokony ho sakana

Na izany aza, navoitran’ny minisitra fa tsy tokony ho olana ny didy aman-dalàna na mety tsy mifanaraka amin’ny tapaky ny mpizaika aza… “Azo havaozina izany raha toa ka sakana tsy ahafahana manatanteraka ny PNDE ka horaisina ny andraikitra”, hoy izy.
Notsindriny koa fa matetika tsy mazava ny fampiharana eny an-kianja. Sahirana ireo mpitantana eny ifotony fa tsy mandeha amin’ny tokoy ho izy izany. Nampanantena ny minisitra fa hanao ny ezaka rehetra. Hamoaka ny naoty hanazavana sy hametraka ny fomba ahafahana mampihatra ny didy aman-dalàna mba tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana izy. Nohamafisin’ny minisitra fa tsy misy lalan-kafa handehanana amin’ny fampandrosoana afa-tsy ny fitsinjaram-pahefana.

Synèse R.

Partager sur: