Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: nahemotra ny fahatongavan’ny minisitra Colonna

Tsy mbola ho ato ho ato indray. Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fotoana hitsidihan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Frantsay, i Catherine Colonna eto amintsika. Tokony higadona eto Magagasikara rahampitso izy saingy tsy raikitra indray izany. Tsy voalaza ma­zava ny anton’ny fanemorana izany raha efa nikasa ny ho avy teto ny tenany, ny faran’ny volana avrily teo. Nahe­motra ny 28 sy ny 29 mey indray avy eo. Tsy mbola tanteraka izany. Tokony ho tonga amin’ity herinandro ity saingy nahemotra.
Efa nihaona ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, teo anelanelan’izany. Anisan’ ny nahatonga ny fampodiana an’i Philippe François any Frantsa, herinandro lasa izay. Anisan’ireo voarohirohy ho atidoha sy tao ambadiky ny fikasana hanongam-panjakana na ilay “Raharaha Apollo21” izy. Efa nigadra teto amintsika. Nangatahan’i Frantsa ny hamerenana azy any an-ta­nindrazany ka tanteraka. Mbola any am-ponja kosa ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay, Rafanoha­rana Paul.
Araka izany, efa resaka politika sy ny fifidianana no saika ahatongavan’io minisitra Frantsay io eto amintsika.

Synèse R.

Partager sur: