Minisitry ny Atitany : “Tsy misy fanovana ny lalàm-pifidianana”

“Tsy mbola misy resaka ny amin’ny fanovana ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana isika izao. Ny lalàna mifehy ny fifidianana efa misy amin’izao fotoana izao ihany no entina mikarakara fifidianana.” Izay ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Ivato, afakomaly, momba ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity.
Miroso ny fikarakarana fifidianana. Tsy ho ela ny famaranana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Hita ny dinika politika nokarakarain’ny Ceni farany teo. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Nam­ba­ran’ny Ceni tamin’izany ny asa rehetra vita sy ny mbola hatao. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mamaritra ny tetiandrom-pifidianana. Amin’izany koa ny fanaikana mpifidy.
Efa nisy koa ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny lafiny vola sy teknika. Voaresaka ary napetraka ny kitapom-bola enti-manana ny fifidianana. Vonona ny amin’izay kitapom-bola izay ny mpiara-miombon’antoka amin’izao fotoana izao. Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana izy ireo. Ny Ceni no mitantana ny vola amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: