Eto Madagasikara i Mikidache.
Mpanakanto avy any Mayotte, malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kanefa manana fifandraisana manokana amin’i Madagasikara izy. Nambarany fa manomana ny fandraisany anjara amin’ny “Waka Waka Festival” izy. Mialoha izany, misy ny fiarahany miasa amina mpanakanto malagasy maro, amin’izao fotoana.
Ho any Toamasina i Mirado.
Hanatanteraka «Cabaret concert», ao amin’ny Dzama Cocktail Tapas, ny 28 jolay izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, i Mirado. Ankoatra ny seho, omena fotoana ihany koa ny fakana sary miaraka amin’ity mpanakanto sady «Ambassadeur nationale de l’Unicef à Madagascar» ity.
“Lecture en rire”.
Mpanao hatsikana sy mpiangaly «slam» maro no tonga nanatontosa ny hetsika «Lecture en rire», teny amin’ny Firaisana voalohany, Analakely, omaly. Tanjona ny hanentana ny olona ho tia vaky boky. Niavaka satria tamin’ny alalan’ny hatsikana sy slam no nitondrana ny fanentanana. Mbola hitohy amin’ny toerana hafa ny hetsika.
Nanamarika ny famaranana ny fankalazana ny “Iray volan’ny teny Malagasy” ireo Sakaizan’ny Akademia any am-pielezana. Nisy ny hetsika nataon’ izy ireo tao Marseille, ny 30 jona lasa teo, niarahana tamin’ny kaonsily ao an-toerana. Hetsika niarahan’ny Havatsa Upem sy ny Faribolana Sandratra teny Tsimbazaza kosa ho an’ny eto Madagasikara.