Toamasina: mpiasan’ny kaominina voaheloka higadra

Nohelohin’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava hamita sazy 5 taona, asan-terivozona am-ponja, i Zara Germain. Namoahana didy fampisamborana koa izy noho ny tsy nanatrehany ny fotoam-pitsarana, ny herinandro teo, tao Toamasina. Toko­ny ho efa niditra am-ponja ny volana febroary 2022 ity mpiasan’ny kaominina ity noho ny hosoka nefa mbola niriaria teny ihany. “Mba iza loatra no ao an-damosiny ?”, hoy ny mpisolovava ny mpitory. Nambaran’ny sefo fokontany, nijoro vavolombelona fa anisan’ny iampangana azy ny hosoka sy fanaovana hosoka tamin’ny fanaovana karapanondrom-pirenena nampiasaina ka nanovana anarana sy sora-piankohonana. “Eo koa ny taratasin-tany jorolava, na­hafahany naka an-keriny tanin’ olona. Mbola nodongiany ha­tramin’ izao”, hoy izy.
Etsy andaniny, anisan’ny mampirongatra ny ady tany ny hosoka amin’ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena. Ahavitana izany rehefa manana 30 000 Ar ho an’ny hosoka amina fanomezan-dalana sy filazana fandovana. Ny “Déliberation” ho an’ ny filankevitra kaominaly aza, ahitana hosoka mba ahazoana tanin’ny kaominina.
Ahitana fahadisoana koa ny 15% amin’ny sora-piankohonana atao eo anivon’ny kaominina, araka ny loharanom-baovaon’ny fitsarana.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: