Cisco Antananarivo Renivohitra : nidina ho 54,54% ny taham-pahafahana BEPC

Azo ambara fa tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny ho an’Antananarivo satria nitombo ny isan’ny mpiadina niatrika ny fanadinana ho an’ity taona ity, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nidina kely raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa ny voka-panadinana BEPC teto amin’ny Cisco Anta­nanarivo Renivohitra. 54,54% raha 56,30% izany ho an’ny taona 2022. Nidina kely koa ho an’ny Cisco Avaradra­no, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco. Nahatratra 62,30% ho an’ny taona 2023 raha 65,78% ny taona 2022. Nizotra tsara avokoa ny fanadinana sy ny asa rehetra tamin’ny fitsarana sy ny famindrana ny naoty tamin’ny ordinatera. Niakatra kosa ny vokatra ho an’ny Cisco Atsimondrano, nitombo ho 66,49% tamin’ity taona ity raha 64% ho an’ny taona 2022. Nivoaka teny amin’ny foibem-panadinana ny anaran’ireo afaka tamin’ny BEPC sy ny fifaninanana hiditra amin’ny kilasy faharoa (2nde) teto an-dRenivohitra sy tany amin’ny Cisco manodidina, omaly.

Niakatra 76,01% ny taham-pahafahana CEPE

76,01% ny taham-pahafahana CEPE manerana ny Nosy, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, tamin’ny tambajotra sosialy. Tsy nitsahatra niakatra ny taham-pahafahana tao anatin’ny dimy taona farany ho an’ny CEPE ankoatra ny taona 2019 sy 2020 niatrehana ny valanaretina Covid-19. Efa nanao ezaka koa ny fanjakana tamin’ny fametrahana ny toeram-pisakafoana any an-tsekoly mamparisika ny kilonga hanohy ny fianarana hatramin’ny faran’ny taom-pianarana. Nampiana ny efitrano fianarana, indrindra tany ambanivohitra ka nitombo ireo niditra an-tsekoly. Na­nampy ireo ny famoahana amin’ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala ny fandaharam-pianarana azon’ny rehetra arahina ahitana lesona sy fizarana.

Vonjy

Partager sur: