Fianakaviana marefo 200 (misy olona 3 000) avy amin’ny kaominin’Antaretra, Androrangavola ary Marotoko, anatin’ny distrikan’Ifanadiana, faritra Vatovavy no nahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana, tamin’ny alalan’ny BNGRC. Olona mbola sahirana noho ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy izy ireto ary nosokajiana ho marefo noho ny tsy fisian’ny eo am-pelatanana satria tsy nahomby ny fambolena foto-pivelomana noho ny fahasimban’ny « nappe phréatique ».
Vary 12,5kg sy menaka 1 litatra ary voamaina 3kg isan-tokantrano no natolotra, ahafahan’izy ireo miarina ka miatrika ny asa andavanandrony. Fanirian’ny mponina ny hitondrana fanampiana eo amin’ny tontolon’ny fambolena, toy ny masomboly sy ny zezika.
Ho an’ny distrikan’Ifanadiana, kaominina valo amin’ny 15 no ampiana ka tohana milanja 29t no hotsinjaraina amin’ny fianakaviana 1 775 marefo noho ny takaitran’ny rivodoza nanomboka ny taona 2022 hatramin’ny fandalovan’i Cheneso sy Freddy farany teo. Nanainga teto Antananarivo ny kamiao roa lehibe nitondra ny fanampiana.
Vonjy