Nanolotra fitaovana sy kojakoja fampiasa amina laboratoara mitentina 155 000 dolara (706 tapitrisa Ar) ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tale jeneralin’ny USAID Madagascar, Anne N. William, tamin’ity herinandro ity. Hiarovana ny olom-pirenena malagasy amin’ny loza ateraky ny fanafody tsy manara-penitra sy tsy voafehy izany. Hisitraka ny fitaovana mivantana ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fanafody eto Madagasikara (AMM).
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny kalitaon’ny fanafody (PQM+) tarihin’ny USAID ny fanolorana ny fitaovana. Ahitana ny kojakoja ampiasaina handinihina ny fomba fiveloman’ny fanafody ao anaty rano sy ny fomba fiparitahan’ny ranom-panafody ao anaty vatana ny fitaovana.
Hanampy amin’ny fitiliana ny fahombiazan’ny fanafody miaro ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary ny fanafody miady amin’ny tazomoka izay efa amidy eny amin’ny farmasia kosa ny fitaovana laboratoara fanampiny. Zava-dehibe ny fanaraha-maso hentitra ny fanafody satria miteraka fijalian’ny marary ary mampitombo ny saran’ny fitsaboana ny fanafody sandoka.
Manampy ara-teknika ny PQM+. Ny USAID kosa no manampy amin’ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny AMM amin’ny fanaraha-maso sy fitsirihana ireo toeram-pivarotana sy ireo mpivarotra fanafody ambongadiny mba hahazoana antoka fa voatahiry sy zaraina araka ny tokony ho izy ny fanafody.
Tatiana A