Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina.
Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ratsy, taorian’ny fotoam–pahavaratra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany manokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana azy. Efa voafaritra ao anatin’ny didim- panjakana 2022-800, nivoaka ny 1 jona 2022 teo, ny manazava izany, milaza fa fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika na ny governemanta no manasokajy azy ho maha maika ny asa.
Voakasik’ity asa tsy maintsy hatao ato ho ato ity, izany hoe, afaka andro vitsy koa ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Efa nanomboka ny asa, saingy vao mainka hafainganina satria lalandràn’ny toekarena, miantoka ny fitaterana ny entana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ity lalana ity, ary misampana any amin’ny faritra hafa avy eo. Laharam-pahamehana hatao ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Moramanga, ny eo anelanelan’Antsampanana sy Brickaville. Eo koa ny PK 78 hatrany amin’ny PK 110 mandalo an’Andasibe ary ny eo amin’ny PK 250 hatrany amin’ny PK 345.
Njaka A.
Ampahan-dalana hatao eto Antananarivo : Antaninandro-Andravoahangy Fivavahana-Ampandrana- Ankorahotra-Ambanidia ; Mahazoarivo-Ambohimiandra- Mandroseza ; Ankadimbahoaka-Androndra ; Antanimena-Ankadifotsy-… ; Anosy-Andavamamba-…-Jovena Ampasika-…-Ankasina-67ha ; Magro Behoririka-Antanimena ; Ambanidia-…- Tsiadana ; Ankatso-Antanimora-Mausolée-Ampasampito ; Rond point Rocade-Amoronankona- Lalamby By Pass-…