Miha mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Notaterin’ny olobe any an-toerana, Ravahatrarivo Frankel, fa tsy afaka mamboly ny tantsaha satria tsy misy rano ny tany ambolena. Nisy ny toky nomen’ny orinasa Base Toliara fa hanohana ity kaominina ity. Anisan’izany ny namindrana ny fasana, izay voakasiky ny faritra hitrandrahany, saingy tsy tontosa hatramin’ny farany satria naato ny asany ny taona 2019. Maro koa ny asa sosialy saika nataony saingy niato daholo. Nanamafy izany i Manahy Roger, anisan’ireo tompon-tany nisy fasana, nilazany fa « mampalahelo anay ny tsy nitohizan’ny famindrana ny fasan’ny razanay, sady tsy nitohy koa ny fanamboarana sekoly sy toeram-pitsaboana. Mila sokafana haingana ity orinasa ity, satria mitondra fampandrosoana ho anay ».
Anisan’ireo tanora efa tokony hiasa, izay tsara karama tao amin’ny Base, i Tovondrainy Ruffin. Tsy an’asa anefa izy ankehitriny toy ny ankamaroan’ny tanora any an-toerana. Mitaraina Rtoa Meline, renim-pianakaviana, fa tsy afaka manabe ny zanany izy satria tsy misy ny asa.
Nanamafy ny ben’ny Tanàna Tsianisiha, fa tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ny fitrandrahan’ity orinasa ity. Tsy miteraka disadisa ny fisokafany, nefa tsy nitondra vahaolana ny fanakatonana azy.
Njaka A.