Tafiditra ho anisan’ny harena arovana ny trozona. Tato anatin’ny taona vitsy, mitombo isa ny trozona maneran-tany noho ny fiarovana atao azy. Sarotra ny fanjonoana azy ireny raha eto Madagasikara manokana. Tsy mitombina ny fanjonona ny trozona eto amintsika. Misy karazany maro ny antony mahatonga ny fahafatesany. “Misy amin’ireo trozona no miteraka roa ary manodidina ny 800kg ka hatramin’ny 1t ny lanjana zanaka trozona iray. Mandany hatramin’ny 350l ronono isan’andro ny zanaka trozona iray. Raha tsy mahita ilay 700l ronono isan’andro ny reniny dia maty ny zanany iray”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Notohizany fa anisan’ireo biby mihinana zanaka trozona ny akio. Sarotra ho an’ny reniny ny hiaro ireo zanany, indrindra raha mandeha irery izy ireny. Tsy afa-mihetsika firy ny trozona, tsy afaka mihemotra ary tsy afaka mivily eo no ho eo izy, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy misy manjono
Biby mila hafanana ny trozona, antony handalovany aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Manodidina ny 500m ka hatramin’ny 2km mialan’ny morontsiraka ny tena ahitana azy. “Sarotra ny fanjonoana trozona noho izy mahatratra hatramin’ny 35t. Tsy maintsy hita ireo izay mikasa hanao izany. Sarotra ihany koa ny hisamborana ny trozona. Tsy maintsy hiparitaka amin’ny ranomasina ny rany noho ny habeny sy ny lanjany aman-taoniny io”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Notsipihin’ny minisitra, tamin’izay, fa tsy misy fanjonoana trozona eto Madagasikara.
Henintsoa H.