Kolontsaina sy fomba amam-panao : manan-kasina eo amin’ny Malagasy ny lamba

Endrika anehoana ny kolontsaina malagasy sy haikanto ary hailaza ny fomba amam-panao sy ny fitafy malagasy. Tsy afa-mi­saraka amin’ny olona ny lamba, tafiana lamba ny zaza rehefa teraka, mandritra ny fiainany andavanandro ary amin’ ny andro hahafatesany.

«Tsy miala ary tsy misaraka amin’ny olona ny lamba na eo aza ny fanatontoloana mahazo vahana ankehitriny vokatry ny fitobahan’ny lamba “friperie” avy any ivelany tonga eto Madagasikara», hoy ny filoha lefitry ny Akademia Malagasy, Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean, teny Tsim­bazaza, ny sabotsy teo. Nila­za izy fa tsy manam-bola hampanjairana akanjo intsony ny ankamaroan’ny Malagasy ka manary ny lamba nentim-paharazana. Na izany aza tia mitafy lamba ihany ny ankamaroan’ny Malagasy. Anisan’ ny orinasa, mamokatra lamba fitafy malagasy ny Haihaingo, etsy Antsahavola. Manandra­tra ny vita malagasy amin’ny alalan’ny fanaovana lamba landy sy ny lamba tenomina izy ireo. Akora ampiasain’izy ireo ny landihazo sy landikely ary landibe. Mamokatra lamba “la soie sauvage” ihany koa, arakaraky ny kaomandy sy tian’ny olona. Tenona vita tanana avokoa ny asa rehetra ataon’izy ireo. Haingoina amin’ny petakofehy miaraka amin’ny landy ihany koa ny lamba. Amin’ny ankapobeny, avy any Sandrandahy sy Ambohidrabiby ny akora fototra. Efa manomboka tia sy manjifa ary manao ny lamba fitafy ny Malagasy ankehitriny. “Anisan’ny mampiavaka ny firenena malagasy ny lamba fitafy”, hoy ny filoha mpitantana ny orinasa Haihaingo sady mpikabary, Andriamboavonjy Hanitra. Tsy misaraka amin’ny lamba ny Malagasy na dia eo aza ny fandrosoana manaraka ny lamaody avy any ivelany, araka ny boky tahiry tamin’ny 1960. “Rehefa hianjaika sy hankalaza ny fotoan-dehibe eo amin’ny fiainana, aleo manjifa sy mandany vola amin’ny vita malagasy”, hoy izy. Tsy amin’ny fotoana manan-danja sy lehibe ihany no hanaovana ny lamba fa azo atao andavanandro koa izany.

Fomba fitafy lamba
Ho an’ny vehivavy, misy ny misampina havia na havanana. Tanana havia no mampiakatra ny lamba hanarona ny soroka havanana, ho an’ny misampina havia. Ny tanana havanana no mampiakatra ny lamba amin’ny soroka havia, raha ny misampina havanana. Ho an’ny lehilahy, misampina ihany fa ampiakarina mankeo amin’ny soroka havanana na havia ny lamba. Fola-droa izy rehefa avy asampina dia raisina indray ny ilany, afolaka miakatra hanindrina ny soroka havia sy havanana avy eo. Ho an’ny fola-tokana, na havia na havanana, tsy maintsy mirotsaka eo afovoan’ny tratra sy ny lamosina ny zoron-damba anoloana. Mirefy 2 metatra sy sasany ny lamba fitafy tamin’ny andro taloha. Natao mifandraika amin’ny vanim-potoana misy izany ankehitriny, raha ny fanazavana. Tsy hasampina ny lamba fa atao tafy sisika na tery helika, mandritra ny fahoriana. Izany hoe, terena ambany helika ny lamba ary miloko mainty amin’ny ankapobeny. Teo amin’ny Ntaolo fahiny, nampiasaina tamin’ny fotoana sy ny fiainana rehetra ny lamba.

Fanomezan-danja ny razana

Mampiasa lambahoany ihany koa ny Malagasy nanomboka ny taonjato faha- 19, raha ny tahirin-kevitra. Nanao lambahoany voalohany sy nahitana izany ny tany amin’ny faritra Avaratra Andrefan’i Madagasikara. Misikina ny lehilahy ary mitafy izany kosa ny vehivavy. Tsy maintsy misikina avokoa ny rehetra rehefa hiditra amin’ny tranobe, mozea… any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Avaratra. Midika ho fanomezan-kasina ny razana izany. Haikanto tsara indrindra ny fampiasana izany, amin’ny fotoan’ny fandevenana, any amin’ny faritra Atsimo. Mitondra lambahoany ny fianakaviana rehetra tonga mamangy. Hasampina amin’ny vata izany ary arakaraky ny hakanto sy ny isan’ny lamba no hahafantarana fa mamim-bahoaka sy manan-kaja teo amin’ny mpiara-monina ilay olona maty na tsia. Ankoatra izay, manolo-koditra ny Malagasy ny lambahoany. Fitafin’ny lehilahy mandritra ny fotoana fangataham-bady ihany koa. Fitafy entina mianjaika sy mampiseho ny maha izy azy ny olona iray. Endriky ny hairaha mampiseho ny fahaiza-manao hatry ny ela, fomba fitafy tena malagasy ny lambahoany. Vita amin’ny landihazo fahiny ary vita amin’ny polistera (akora tsy voajanahary) ankehitriny. Voadidina sary sy haingo ny sisiny, ary misy ravaka ny eo afovoany. Notovanana teny kely eo ambany taty aoriana, mitondra ny hevitry ny lambahoany. Azo asikina, azo asampy, azo hidiana eo amin’ny soroka, azo hidiana eo amin’ny tenda. Manambara ny fihaingoan’ny Malagasy, mitondra avo ny azy. Ny orinasa SOTEMA ny orinasa nanokatra izany voalohany ary narahan’ny COTONA ankehitriny. Alefa any Chine sy Inde ny lambahoany vokarina eto amintsika.

Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison

Partager sur: