Nampahafantarina, omaly, ireo mendrika tamin’ny antso tolotra tetikasa ho an’ny fikambanana ao anatin’ny kaominina efatra (Ivato, Talatamaty, Anosiala, Ambatolampy Tsimahafotsy) manodidina ny orinasa Ravinala Airports eny Ivato. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo ny tetikasa, ny fampandrosoana, ny tontolo iainana ary ny fanabeazana. Miisa 60 ireo nandroso tetikasa, ka 10 ny tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana ary 6 no nosafidiana farany nahazo loka (roa isaky ny lohahevitra).
Nahazo lelavola 15 000 000 Ar tsirairay avy ny voalohany. Ho an’ny fanabeazana, nahazo ny loka ny Ecovillage mikasika ny fampisakafoana isan’andro ny mpianatra ao amin’ny EPP Soavinarivo. Ho an’ny tontolo iainana, ny Hope For Future Madagasikara, hanangana tanin-janakazo ravinala sy baobab, ho kolokoloin’ny ankizy. Mikasika ny fampandrosoana, ny fikambanana Sekool Madagasikara, tetikasa « Anoka », fanofanana ny renim-pianakaviana, hivarotra voankazo nohamainina eo amin’ny tsena.
Nahazo 5 000 000 Ar tsirairay ny loka faharoa. Fiahiana ny tovovavy sahirana sy kamboty ny an’ny fikambanana Fille de Marie Auxiliatrice. Fambolena zanakazo miisa 20 000 sy vomanga, hataon’ny fikambanana Tafaray. Fampandrosoana ny olona tsirairay sy fanitarana ny asa ho an’ny fikambanana “Between us count me”.
Tafiditra ao anatin’ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ity tohana ity.
Njaka A.