Fampandrosoana : maro ny fotodrafitrasa vita eny Atsimondrano

« Atsimondrano fitaratra 2023 ». Io no fanambin’ny distrikan’Atsimondrano. Na teo aza ny krizy Covid-19 sy ny ara-toekarena maneran-tany, maro ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana vita tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay.

Miisa 26 ny kaominina ao anatin’ny distrika Atsimondrano, tanta­nin’ny IRD ny 11. Ho an’ny fanamboaran-dalana, misy ny arabe vita godirao, rarivato, miampy ny lalankely manerana ny kaominina. Vita rarivato ny eny Itaosy, Ambohidrapeto, Andranonahoatra, Behenjy, Ambavahaditokana, Soavina, Ampitatafika-Alatsinainy Am­bazaha, sns. Toy izany koa ny any Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato. Mitohy ny asa eny Vontovorona, Am­ba­to­fotsy-distrika Andrama­sina,…
Maro ny sekoly manara-penitra naorina. Toy ny Lycée Tongarivo Tanjombato, Andra­­nona­hoatra, Androhibe Antsa­hadinta, Alatsinainy Amba­zaha. Ny CEG Ampitatafika, Ambohijafy, Tanjombato, Am­bo­hidrapeto, ….. Vita ny EPP Ambohidronono Ampanefy, Mahabo Andoharanofotsy, Tsa­rahonenana, Soa­ma­na­ndray Tsiafahy, Iavoloha, sns.
Ho an’ny fahasalamana, tafapetraka ny CSB II manara-penitra eny Alakamisy Feno­arivo sy Androhibe. Vita ny Ofisy miady amin’ny zava-mahadomelina eny Ambava­haditokana Itaosy. Ho an’ny fanatanjahantena, nahazo kia­nja manara-penitra ny CFFA Andoharanofotsy. Havadika manara-penitra ny kianja any Antaninkatasaka Bemas­o­andro Itaosy… Misy kianja tsipy kanetibe eny Tongarivo Tanjombato. Nohavaozina ny toerana fialamboly Analam­anga Parc, sns.

Fanadiovan-drano

Ho an’ny lafiny sosialy, ny didim-poitra ho an’ny zazalahy mananika ny 1 000. Teo koa ny fanampiana Vary tsinjo, Tsena mora, Tosika fameno, sns. Nahazo ivontoerana ny zokiolona eny Soavina. Ma­nana tsena manara-penitra ny eny Alatsinainy Ambazaha. Misy toerana fanadiovan-drano fisotro eny Anosizato, Tanjombato, Bemasoandro Itaosy, Ankadimanga. Maro ny tanàna nahazo jiro manazava arabe.
Hetahetan’ny mponina ny hamitana ny lalana RIP 1 (Soavina, Ampanefy, Am­pahitrosy) sy ny fananganana tohodrano hanondraka velaran-tany hambolena.
Solombavambahoaka to­kana voafidy ao amin’ny distrika Atsimondrano Ratsi­vahiny, avy amin’ny IRD.

Njaka A.

Partager sur: