Fihariana : sambo haingam-pandeha 4 ho an’ny mpanjono

Nanolotra sambokely haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika any amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Vina Marie-Orléa, ny 3 aogositra teo. Natao hanatsarana ny fiharian’ireo mpanjono ny nanomezana izao fitaovana izao, sady koa ahafahan’izy ireo manara-maso ny fiarovana ny ala honko sy ny tontolo an-dranomasina ankapobeny. Misy koa ny kojakoja miaraka amin’ireo sambokely ireo, toy ny akanjo fiaro (gilets) sy harato fanjonoana.
Nanentana azy ireo ny governora, Lylison René, fa maro ny tombony entin’ny ala honko any amin’iny faritra iny, sady manatsara ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony no miteraka tombony ara-toekarena ho an’ny faritra. Tanjona ny hampiroborobo ny jono amorontsiraka maharitra, sady manampy amin’ny velontenan’ny mponina, iarahana amin’ny Madagascar National Parks (MNP), miandraikitra ny fitantanana ny faritra arovana any Sofia.

Njaka A.

Partager sur: