Anisan’ny misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toa ny tambazotra fitarihan-drano ao Andriabe, kaominina Mahasoa atsinanana, distrika Betroka. “Mbola ambany ny tahan’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny tany trandrahana. Zara raha misy 10ha ny velaran-tany azo trandrahana ary 1,5t/ha ny taham-bokatra azo amin’izany ka manome 15t”, hoy Randrianaritiana Pierrot Serge, mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa DEFIS. Namboarina io fotodrafitrasa voalaza io, ny zoma teo. Tanjona ny hampakarana ny tahan’ny vokatra ka ho afaka hamoka-bary indroa isan-taona ny fikambanan’ny tantsaha “Miraihina”. Vinavinaina ho lasa 80ha ny velaran-tany ho voatondraka sy ny lemaka azo ambolena ka hahazo vary hatramin’ny 320t isaky ny mamokatra, izany hoe hahazo 640t isan-taona ny faritra.
Tombony
Manao izao fotodrafitrasa izao ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, mamatsy vola izany ny FIDA. Dingana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny famokarana lovain-jafy ary miaro ny tontolo iainana izao atao izao. Ho ampy sakafo ary hitombo ny fihariana fitadiavam-bolan’ny tantsaha, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny tantsaha mpamokatra sady nozaraina hana-pamokarana maro samihafa izy ireo. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny bankin-tsakafo hahafahan’ny tantsaha mamaritra ny vidim-bokatra.
Henintsoa H.




