Tsy mety fongana ny fangalarana an-tsokosoko sokatra. Miisa 24 ny sokatra (sokake) lehibe hita tany amin’ny tanànan’i Magnary, fokontany Behavoha, kaominina Itampolo, ao amin’ny distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 3 aogositra teo. Tsy nisy tratra ireo mpanao trafika. Tovolahy mpiandry omby teny an-tsaha no nahita ireo sokake ireo navadika ny vatany teny amorom-pasika. Nampandrenesiny ny ray aman-dreniny, ary ireto farany no nampilaza ny mpiasan’ny fikambanana iraisam-pirenena “Biodiversity Conservation of Madagascar (BCM)”, anisan’ny miaro ny sokatra rahateo. Tsy lavitra ny masoivohon’ny BCM ny toerana nahitana ireo sokatra ireo. Nantsoiny avy eo ny fikambanana “Turltle Survival Alliance (TSA)”, mitantana ny toby fitazonana ny sokake any Itampolo. Nanampy ny TSA nijery akaiky sady nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria any an-toerana.
Vao tamin’ny volana avrily 2023 no nisy halatra sokatra miisa 412 tao amin’ny toby TSA any Itampolo, izay mbola mitohy any amin’ny fitsarana ny raharaha.
Njaka A.




