Mihamahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be amin’izao fotoana izao. “Tao anatin’ny telo volana, nahatratra 39 779 ireo mpizahatany tonga ao an-toerana nanomboka ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay teo”, hoy ny tale mpanatanteraka ny ORTN Nosy-Be, Randrianjafinirina Gerardo.
Tsara ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja fahatsiarovana sy asa tanana malagasy. “Maro ireo mpiala sasatra tonga tamin’ity taona ity, misy ny liana sy mividy ny vokatra amidinay, misy kosa ireo mijery izany fotsiny saingy tsy kivy izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra iray. Ankehitriny, feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny, manano sarotra ny famandrihan-toerana. “Mampidi-bola betsaka amina seha-pihariana samihafa izao habetsakin’ny mpizahatany izao. Maro ireo vahiny tonga eto an-toerana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Tsy latsa-danja amin’izay koa ny Malagasy miala sasatra aty amin’ny Nosy manitra amin’ izao fotoana izao. Hirariana mba ho toy izay hatrany ny amin’ny manaraka”, hoy i Feno, mpandray vahiny.
Olana
Anisan’ny mahavelon-taraina ireo mpanjifa ny olan’ ny fahatapahan-jiro sy rano any amin’ny toeram-pandraisam-bahiny. “Misy matetika ny fahatapahan-jiro saingy nihamafy izany tamin’ity taona ity ka anaovanay antso avo amin’ ny jirama ny hitadiavam-bahaolana”, hoy hatrany ny fahazavana voaray.
Mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany any an-toerana ny hamaroan’ny sidina mankao Nosy-Be. Fantatra fa miisa sivy isan-kerinandro ny sidina iraisam-pirenena mihazo ny Nosy manitra. Miisa fito isan-kerinandro kosa ny sidina avy any amin’ny faritra manodidna toa an’i Mayotte sy La Réunion tonga ao Nosy-Be.
Henintsoa H.




