Toekarena manga : Nahafa-po ny tombam-bokatra

Nanao jery todika ny asa vitan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny minisitra Mahatante Paubert, ny herinandro lasa teo. Nambarany fa maro ny fampiofanana momban’ny trondro nomena an’ireo mpisehatra rehetra manerana ny Nosy. Teo aloha, manodidina ny 2 700 ireo nahazo fiofanana raha tafakatra hatrany amin’ny 7 600 izany tamin’ity taona ity. Tanjona ny hahafahan’ny isan-tokantrano hiompy trondro sy ny fizakan-tena ara-tsakafo ary ny fampakarana ny tahan’ny fihinanana trondro. Manodidina ny 2,16 kg isan’olona isan-taona ny tahan’ny fihinanana hazandrano. Niakatra 4,26 kg isan’olona isan-taona izany ny taona 2021, mahatratra 5kg isan’olona isan-taona amin’izao. Nampiroboroboina ny jono madinika ho lasa jono salantsalany. Toy izay koa ny famokarana lomotra eto amin’ny Nosy. Teo aloha, 2 000t-5 000t ny vokatra azo. Ankehitriny, tafakatra 6 avo heny ny famokarana, izany hoe, manodidina ny 12 000t. Niakatra ny tahan’ny fanjonoana horitra, tamin’ny alalan’ny fanarenana ny toerena fipetrahan’izy ireny, hoy hatrany ny minisitra. Teo aloha 3 000t-4 000t ny vokatra azo. Ankehitriny, 11 000t izany. Ankoatra izay, nampanarahan-dalàna ny mpanjono mba hampakarana ny vokatra indrindra eo amin’ny kalitao andrasana. Vokany, tafatratra 650 miliara Ar ny vola azo tamin’ny fanondrana tamin’ny taon-dasa.

Tombontsoa
Maro ny fotodrafitrasa natsangana hanatsarana ny vokatra hazandrano sy ny tontolony. Nahazoana tombony koa ny fiaraha-miasa tamin’ny Vondrona eoropeana. Ny taona 2015-2018 miisa 94 ireo sambo nahazo alalana hanjono ary manodidina ny 8 924 000 Euros ny vola azo. Ho an’ny taona 2023-2026, 61 ny sambo manao ny asa ary manodidina ny 12 880 000 Euros ny vola azo.

Henintsoa H.

Partager sur: